Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Jehovah no Mpiandry Ahy”

“Jehovah no Mpiandry Ahy”

Hira 77

“Jehovah no Mpiandry Ahy”

(Salamo 23)

1. Jehovah no Mpiandry ahy,

Tsy misy atahorako.

Karakarainy ’reo ondriny,

Arovany avokoa,

Omeny rano madio,

’Zay tsara sy mahasoa.

Mamelombelona izany,

Ny foko mitony koa.

Mamelombelona izany,

Ny foko mitony koa.

2. Ny tehin’ilay Mpiandry

No miaro ny diako;

Na maizina aza ny lohasaha,

Tsy mba atahorako.

Ny fiainako notahiny

Fa tsara fanahy izy.

Ny tranony no hitoerako

Ho mandrakizay doria!

Ny tranony no hitoerako

Ho mandrakizay doria!

3. Jehovah no hoderaiko,

Satria be fitiavana.

Ny ondry hafa hitoriako

Fa tsara i Jehovah.

Harahiko ny lalàny

Ary hotandremako.

Harena ny fanompoana azy,

Ka ankasitrahako.

Harena ny fanompoana azy,

Ka ankasitrahako.