Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Jereo ny Tafik’i Jehovah!

Jereo ny Tafik’i Jehovah!

Hira 166

Jereo ny Tafik’i Jehovah!

(Joela 2:7)

1. Jereo ny mpitory,

Toy ny tafika,

Mazoto manompo,

Tsy matahotra;

Fa Jesosy Kristy

No arahiny,

Ka i Babylona

Efa nialany.

Izy ’reo midera

An’i Jehovah,

’Zay efa manjaka

Any an-danitra.

2. Jereo ny Kristianina,

Te hanafaka

’Reo mbola voageja

Ao Babylona.

Izy ’reo mitory,

Tsy kivy tokoa,

Fa manasa ny hafa

Mba hivory koa.

Ampiany ’reo “ondry”

Mba hianatra,

Ka handroso foana

Sy ho matotra.

3. Jereo fa Jesosy

No mitarika

Ireo “ondry vitsy”

Sy “ondry hafa.”

Izy ’reo mahatoky

Sady malina,

Na enjehina aza,

Tsy mivadika.

Feno fifaliana

Izy rehetra,

Miaraka manompo

An’i Jehovah.