Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kanto ny Toeram-pivavahana Amin’i Jehovah

Kanto ny Toeram-pivavahana Amin’i Jehovah

Hira 93

Kanto ny Toeram-pivavahana Amin’i Jehovah

(Salamo 84:1)

1. Mba kanto ny tempolinao!

Iriko ny hitoetra ao.

Ny tranonao tena tiako,

Asandratro ny hirako,

Asandratro ny hirako.

2. Jehovah ô, ampio ’zahay

Hahazo hery vao indray.

Manampy anay ny Teninao,

Hanaovanay ny sitrakao,

Hanaovanay ny sitrakao.

3. Eo aminao iray andro

Dia tsara noho ny arivo.

Aleonay ny tranonao,

Toy ’zay izao tontolo izao,

Toy ’zay izao tontolo izao.

4. Ampingantsika Jehovah,

Miaro ny olo-marina.

Ireo tsy misy tsiny koa,

Handray ny tena valisoa,

Handray ny tena valisoa.