Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Katsaho Hatrany Aloha Ilay Fanjakana

Katsaho Hatrany Aloha Ilay Fanjakana

Hira 172

Katsaho Hatrany Aloha Ilay Fanjakana

(Matio 6:33)

1. Ny Fanjakan’i Jehovah,

’Zay hanao ny rariny,

Tena zava-dehibe sy

Sarobidy aminy.

Izy io ’lay nantenain’ny

Mpaminany fahiny.

’Sika koa ankehitriny

Manantena izany.

(Averina isan’andininy)

2. Tombontsoa ny fitoriana

Ny Fanjakan’i Kristy.

Io no asa tsara indrindra,

Koa ataovy hatrany.

Raha ny fivelomantsika,

Aok’ isika tsy hanahy;

Fa katsaho ’lay Fanjakana,

Dia hanampy Jehovah.

(Averina isan’andininy)

3. Horavana tsy ho ela

’Ty tontolo ratsy ity,

Ka haverina indray ny

Paradisa an-tany.

Koa torio ny vaovao tsara,

Ampio ny mpandefitra

Hanantena an’i Jehovah

Sy ilay Fanjakana.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ny Fanjakan’i Jehovah

No katsaho voalohany.

Tsy hivadika isika,

Hiaro ny anarany.