Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kristy no Modelintsika

Kristy no Modelintsika

Hira 205

Kristy no Modelintsika

(1 Petera 2:21)

1. Mpanao soa Jehovah sady fitiavana,

Ka nanome an’i Kristy,

’Zay Mofo velona sy tena fiainana,

Ho an’ireo ’zay mino azy.

2. Izao no vavaka izay ataontsika,

’Lay nampianarin’i Kristy:

‘Hohamasinina ny anaran’i Jah,

Ho tonga ny Fanjakany.’

3. Kristy nampianatra ny fahamarinana,

Izay manafaka antsika.

Izy no sorona, namonjy ny olona;

Izay no sitrapon’i Jah.

4. Tsy mba hivadika ’reo mankasitraka

Ny vidim-panavotana.

Koa tahafo Kristy, Modelintsika izy.

Ankalazao i Jehovah.