Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehibe Sady Mahagaga ny Asan’Andriamanitra

Lehibe Sady Mahagaga ny Asan’Andriamanitra

Hira 84

Lehibe Sady Mahagaga ny Asan’Andriamanitra

(Apokalypsy 15:3)

1. Jehovah Andriamanitra,

Lehibe tokoa ny asanao!

Ny tany sy ny lanitra,

Midera ny anaranao.

2. Hendry sy Marina ianao,

Mpitsara sy Mpanjakanay.

Midera anao ny voarinao,

Koa mba hidera anao ’zahay.

3. Iza no tsy hatahotra

Sy hanaja ny anaranao?

Ianao ’lay Tsy Mivadika.

Mandrakizay ny lazanao.

4. Ny lalanao dia marina,

Mahitsy koa ’reo didinao.

Aoka ny firenen-drehetra

Hanompo sy hidera anao.