Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lehibe Tokoa ny “Fiadanan’Andriamanitra”!

Lehibe Tokoa ny “Fiadanan’Andriamanitra”!

Hira 178

Lehibe Tokoa ny “Fiadanan’Andriamanitra”!

(Filipianina 4:7)

1. Ilay fiadanana

’Zay omen’i Jehovah,

Mampitony ireo ory,

Mampisinda ahiahy.

Ny saina sy ny fo

Dia voaro avokoa,

Tsy mijaly fa mifaly,

Manantena valisoa.

2. Amin’ny fiainana,

Maro be ny olana:

Fahoriana, fijaliana.

Tena kivy ny olona;

Fa tsy mba ketraka

’Sika mpanompon’i Jah,

Satria tiany ka tahiny,

Omeny fiadanana.

3. Izay ilaintsika

Dia omen’i Jehovah.

Izy miantra ny mahantra,

Tsy hafoiny isika.

Ny fitahian’i Jah

Dia mamelombelona

Toy ny ando, isan’andro

Manome fiadanana.