Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahafaly ny Fananganana ny Maty

Mahafaly ny Fananganana ny Maty

Hira 102

Mahafaly ny Fananganana ny Maty

(Apokalypsy 20:13)

1. Rehefa nodimandry

I Lazarosy,

Nitomany azy

Ny anabaviny.

‘Raha mba teo mantsy

Jesosy Kristy,

Dia tsy ho faty

Ny sakaizany.’

Rehefa tonga anefa

Jesosy Kristy,

Dia nanao hoe: ‘Mivoaha,

Ry Lazarosy!’

Gaga ny rehetra

Fa nivoaka izy.

Faly nandray azy

Ireo havany.

2. Nanantena mafy

Ireo mpianatra,

Fa tonga Jesosy

Mba hanafaka.

Nefa novonoina

’Lay Mpanjakany,

Be ny alahelo

Tao anatiny.

I Jehovah kosa

Tia ny Zanany,

Ka nanangana azy

Tamin’ny maty.

Faly nandray azy

Ireo mpianatra.

Resiny tokoa ny

Fahafatesana!

3. Adama nitondra

Fahafatesana,

Fa Jesosy kosa

No fiainana.

Ireo nodimandry

Handre ny feony,

Ka ho velona indray

Sady hifaly.

Hisy fitsarana,

Ka ’zay mahatoky,

Hosoratana ao

Anaty boky.

’Reo manetry tena,

Tia ny rariny,

Hiaina mandrakizay

Eto an-tany.