Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa Antsika ny Tenin’Andriamanitra

Mahasoa Antsika ny Tenin’Andriamanitra

Hira 46

Mahasoa Antsika ny Tenin’Andriamanitra

(2 Timoty 3:16, 17)

1. Ny Soratra Masina

Dia toy ny hazavana,

’Zay mitarika antsika

Ary koa ‘manafaka.’

2. Hazavain’ny Baiboly

Fa Jehovah be fitia.

Ho hendry ’zay mino azy,

Fiainana no ho azony.

3. Nomeny ny Teniny

Hanoro ’zay takiny,

Sy hampianatra tokoa,

Hanafay, hanitsy koa.

4. Ny Tenin’i Jehovah

Dia fitaovana tsara,

Marina sy mahasoa,

Fananarana tokoa.