Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampanan-karena ny Fitahian’i Jehovah

Mampanan-karena ny Fitahian’i Jehovah

Hira 9

Mampanan-karena ny Fitahian’i Jehovah

(Ohabolana 10:22)

1. Ireo manompo an’i Jehovah,

Dia hotahiny tokoa.

Ny vaovao tsara hotorintsika

Amin’ireo ’zay tso-po.

2. Na maro aza ny fitsapana,

’Sika tsy hivadika.

Satria Jehovah dia be fiantrana,

Ka mampahery antsika.

3. Raha toa ianao ka manompo foana

Sy manao ’zay azo atao,

Tsy mba mivadika i Jehovah,

Ka hankasitraka anao.

4. Ataovy tsara ny fanompoana,

Maro ny fitahiana.

Jehovah Tompo dia tsara fanahy,

Hamaly soa antsika.