Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mampanantena Paradisa Andriamanitra

Mampanantena Paradisa Andriamanitra

Hira 4

Mampanantena Paradisa Andriamanitra

(Lioka 23:43)

1. Hisy indray ny Paradisa,

Amin’ny Arivo Taona.

Hesorina ny fahotana

Sy ny fahafatesana.

(Averina isan’andininy)

2. Araka ny fikasan’i Jah,

Ny maty dia hatsangana,

Satria Kristy nampanantena

Fa ’lay jiolahy ho velona.

(Averina isan’andininy)

3. Ho tafaray ny mpianakavy,

Ho faly ny mpinamana.

Hifankatia ny olon-drehetra,

Hianatra ny marina.

(Averina isan’andininy)

4. Hisy tokoa ny Paradisa,

Efa manjaka izao Kristy.

Koa mifalia, derao Jehovah.

Aok’ isika hisaotra azy.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ho Paradisa ny tany.

Ho hitantsika izany.

Kristy hanatanteraka

Ny fikasan’i Jehovah.