Mampianatra Antsika i Jehovah
Hira 91
Mampianatra Antsika i Jehovah
1. Jehovah no Mpampianatra
Sy Mpanome Lalàna,
Sady Mpitari-dalana
Ny ondriny rehetra.
Ho fantatry ny olona
Fa izy no Mpanjaka,
Mampianatra sy mampahery
An’ireo mpandefitra.
Jesosy koa nampianatra,
Nanahaka ny Rainy,
Nitory ’lay Fanjakana
Sy nahafoy ny ainy.
Arovany ’reo mpianany,
’Zay tiany toy ny zanany.
Ampiany ireo ondriny
Hitoetra ao am-balany.
2. Eo koa ireo mpiandraikitra
Voatendrin’i Jehovah,
Izay mahay mampianatra
Sy feno fahendrena.
Ampian’ireo ny reraka,
’Reo mila fanitsiana,
Ka ampianariny mba hampi-
faly an’i Jehovah.
Jesosy no mitarika,
Koa maneke hatrany.
Ampianarin’i Jah ’sika,
Ka tombontsoa izany!
Tiantsika mba ho sambatra
Ireo ’zay tia ny marina.
Koa ampianaro izy mba
Hanompo an’i Jehovah.
3. Asaintsika ny olona
Ho tia an’i Jehovah.
Misy asa fampianarana
Mitondra famonjena.
’Reo bokintsika maro be
Sy ny asa fitoriana
No ampielezana ny vaovao
Tsara amin’ny olona.
Mpiara-miasa isika,
Arovy ny finoana.
Araho koa ny marina,
Torio ’lay Fanjakana.
Kristy nampanantena fa
Ny maty dia hatsangana,
Ka hianatra ny marina
’Zay hahazoany fiainana.