Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Fahari-po

Manàna Fahari-po

Hira 145

Manàna Fahari-po

(1 Tesalonianina 5:14)

1. Jehovah Tompo dia mahari-po,

Modely ho antsika.

Ny anarany dia nesoina tokoa,

Nef’ izy nandefitra,

Naharitra tamin’ny olony

Sy tamin’ny hafa koa.

Matoky azy ireo ‘ondriny’,

Noho izy mahari-po.

2. Jehovah be voninahitra aza

Naneho fahari-po,

Koa mainka fa isika mpanota,

Tokony hamindra fo.

Ilaintsika rehefa mitory,

Ny vokatry ny fanahy.

Aza mandatsa na mila ady,

Mahaiza mandefitra.

3. Manjary miray saina àry ’sika,

Rehefa mahari-po

Amin’ireo mpianakavintsika

Sy ’reo mpiara-manompo.

Ny fahendrena sy fitiavana

Mahatonga fahari-po.

Raha miatrika fisedrana isika,

Tsy hivadika tokoa.