Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manàna Laza Tsara eo Anatrehan’Andriamanitra

Manàna Laza Tsara eo Anatrehan’Andriamanitra

Hira 37

Manàna Laza Tsara eo Anatrehan’Andriamanitra

(Mpitoriteny 7:1)

1. Ataontsika ny

Sitrak’i Jehovah.

Ny hahafaly azy

No faniriantsika.

Tokony hataonao,

Sady azo atao,

’Zay hahatsara

Ny lazanao.

2. Ny laza tsara,

Aoka harovanao.

Tandremo tsara

Ny teny sy atao.

’Zay miandry an’i Jah,

Handray fitahiana,

Ho tsara laza,

Ho sambatra.

3. Henoy Jehovah,

Ho tsara laza ianao.

’Zay no ilainao

Amin’ny fiainanao.

Arovy ny Teny

Sy voninahiny.

Miezaha ho tonga

Sakaizany.

4. Ny andro ’zao ratsy,

Koa tena ilaina

Ny laza tsara

Anatrehan’i Jah.

Ny marina atao,

Ny mazava araho;

’Lay Fanjakana

No ambarao.