Manafaka Antsika ny Marina
Hira 121
Manafaka Antsika ny Marina
1. Nambaran’ny Lalàna sy ny faminaniana
Ilay fahamarinana ’zay nianarantsika,
Momba ilay Taranaka nampanantenaina,
Izay hitondra fanafahana sy fiainana.
2. Kristy tokoa no ‘fahamarinana sy fiainana.’
Namoy ny ainy izy noho ny fahotantsika.
Ny anaran’i Jehovah Rainy arovany,
Ka horeseny avokoa ireo fahavalony.
3. Nasehon’i Jesosy antsika ny marina.
Nampanantena izy fa ho foana ny ota.
Efa manjaka any an-danitra izao izy.
Koa tsy maintsy ambarantsika ny Fanjakany.
4. Ampianaro ny marina momba an’i Kristy.
Ampy fitaovana isika izao mba hitory.
Ambarantsika ilay Fanjakan’i Jehovah.
Koa mazotoa mitory ny fahamarinana.