Manana Fiadanana Isika
Hira 159
Manana Fiadanana Isika
1. Tsy misy fiadanana
Ho an’ny ratsy.
Ny toe-tsain’i Satana
No ao aminy.
Ny tena fiadanana,
Omen’i Kristy
Ho an’ny manam-pinoana
Sy mifankatia.
2. Jehovah no manome
Fiadanana.
Ireo ady maro be
Dia hifarana.
Andrian’ny Fiadanana
Kristy Zanany.
Izy no hanavotra
’Reo tia rariny.
3. Ireo fifandirana,
Nialantsika.
Ny fiadiana rehetra,
Navelantsika.
Katsaho ny fihavanana,
Mifankatiava.
Hifamela heloka
’Sika rehetra.
4. Aok’ isika rehetra
Mba hihavana,
Eo ampiandrasana
Ny Paradisa.
’Zay maneho finoana
Sy mivavaka,
Dia homen’i Jehovah
Fiadanana.