Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manangòna Harena any An-danitra

Manangòna Harena any An-danitra

Hira 67

Manangòna Harena any An-danitra

(Matio 6:20)

1. Tena tiantsika Jehovah,

Ilay Rain’ny fahazavana!

Ireo zava-tsoa nomeny

Mampifaly antsika:

Fitafiana sy sakafo,

Masoandro sy orana,

Ary koa ny fiainantsika.

Koa isaory Jehovah.

2. Ny mikatsaka harena

Dia tsy tena fahendrena,

Satria zava-poana ihany,

Tsy mitondra fiainana.

Mila mianina amin’izay

Tena ilaina isika,

Ka hihazona hatrany

Ilay tena fiainana.

3. Ny fotoana sy ny hery

Ary ny fananantsika,

Ampiasao mba hitoriana,

Hanampiana ny hafa.

Ho sakaizan’i Jehovah

Sy Jesosy isika,

Ka hanangona harena,

Izay any an-danitra.