Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manantena Fanafahana ny Zavaboary

Manantena Fanafahana ny Zavaboary

Hira 142

Manantena Fanafahana ny Zavaboary

(Romanina 8:21)

1. Fahakiviana sy fahoriana

No mahazo ny olona.

Mijaly izy, satria nifidy

Handa an’Andriamanitra.

2. ’Reo manantena ny hovonjena,

Matoky an’i Jehovah.

Tena ampiany ireo ’zay tiany;

Ho foana ny fisentoana.

3. Ho hitantsika, ho azontsika

Ny tena fanafahana.

Kristy nijaly, namoy ny ainy,

Mba hanome ny fiainana.

4. Ny fifaliana sy fitahiana,

Omen’i Jah ny olony.

Torio hatrany ’lay Fanjakany,

Ekeo ny fandaminany.