Manatòna An’i Jehovah
Hira 225
Manatòna An’i Jehovah
1. Ny sitrakao, Jehovah,
No mba tadiavinay.
Hankatoavinay ianao,
Fa zanakao ’zahay.
Harena sarobidy
Ny hoe sakaizanao.
Isaoranay ianao, ry Ray,
Noho ny fitiavanao.
2. Ianao no Mpiandry anay,
Mikarakara anay.
Kristy nifidy anay,
Hanompo anao ’zahay.
Mamela fahadisoana,
Mamindra fo ianao.
Faly ’zahay fa mifandray
Sy mihavana aminao.
3. Kristy nampianatra anay
Mba hankatò anao.
Mahagaga ny fiantranao
Sy ny fitiavanao.
Hanatona anao ’zahay,
Mba ho sakaizanao.
Ry Tomponay, ampio ’zahay
Hanao ny sitrakao.