Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandehana Amin’ny Tsy Fivadihana

Mandehana Amin’ny Tsy Fivadihana

Hira 160

Mandehana Amin’ny Tsy Fivadihana

(Salamo 26:1)

1. Mba tsarao aho, ry Jehovah Tompo,

Fa tsy mivadika, matoky anao tokoa.

Fantaro koa ’zay ao anatiko,

Ny eritreritro diniho isan’andro.

(Averina isan’andininy)

2. Tsy sitrako ireo ratsy fanahy.

Tsy mba iarahako ireo mpisandoka.

Arovy aho mba tsy ho ringana,

Toy ireo olona tsy tia ny marina.

(Averina isan’andininy)

3. Jehovah ô, tiako ny tranonao,

Ka isan’andro aho faly manompo anao,

Midera anao eo an-tempolinao

Sy mankalaza anao, manao ny sitrakao.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Izaho kosa dia tapa-kevitra

Ny tsy hivadika amin’i Jehovah.