Mandosira ho Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!
Hira 146
Mandosira ho Amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!
1. Ry mahatoky, tadiavo Jehovah,
Tadiavo ny fahamarinana.
Ireo mitady ny fandeferana,
Angamba ho voafina.
(Averina isan’andininy)
2. ’Reo tia ny marina, aoka hifaly,
Satria ho foana ny tsy rariny.
’Lay Fanjakana katsaho hatrany,
Jehovah no ankatoavy.
(Averina isan’andininy)
3. Koa mifalia, ka banjino ny hoavy.
Efa manjaka izao i Kristy.
Jehovah mandefa ny hazavany,
Omeo voninahitra izy.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Ekeo ny Fanjakan’i Jehovah,
’Zay hitondra fiainana (fiainana).
Raha mankatò ireo didiny ’sika,
Dia tena ho sambatra (sambatra).