Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandroso ny Tafik’Andriamanitra

Mandroso ny Tafik’Andriamanitra

Hira 39

Mandroso ny Tafik’Andriamanitra

(1 Timoty 6:12)

1. Ny tafik’i Jehovah

Mandroso hatrany,

Mba hankalaza azy,

Hiaro ny anarany.

Satana tsy handresy

An’ilay tafika.

Ny herin’i Jehovah

No miaro antsika.

2. Miady mafy ’sika,

Izao no farany.

Koa mazotoa mitory,

Aza mety kivy.

Jesosy no Filoha,

’Zay tia ny rariny,

Ka izy no handresy.

’Ndao hiaraka aminy.

3. Handresy ’zao Jehovah;

Araho ny lalany.

Hahery fo isika,

Mandra-pandresiny.

Voasedra ny Kristianina,

Miady mafy koa;

Fa ireo mahatoky,

Hahazo valisoa.