Mandrosoa Amin-kerim-po
Hira 56
Mandrosoa Amin-kerim-po
1. ’Reo tia an’i Jah sy mahatoky
Dia tsy mba matahotra,
Fa sahy mitory ’lay Fanjakana,
Izay efa miorina.
(Averina isan’andininy)
2. Noho ny finoana, mazoto isika
Manao ny asan’i Jah.
Mifankatia sy mahatoky ’sika,
Ary manetry tena.
(Averina isan’andininy)
3. Aoka handroso hatrany ’sika,
Ary tsy hivadika.
Rehefa tonga Hara-magedona,
Handresy i Jehovah.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Koa mandrosoa, ry mpanompo;
Ny marina ambarao.
Aoka ho be herim-po sy hazoto,
Jehovah hiaro anao.