Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandrosoa Hatrany!

Mandrosoa Hatrany!

Hira 123

Mandrosoa Hatrany!

(Hebreo 6:1)

1. Mandrosoa! Mandrosoa mba ho matotra

Sy ho ampy fahaizana mba hitoriana.

Hatsarao koa ny fomba fampianatrao,

Dia hotahiana ny asanao.

’Sika rehetra afaka mitory,

Manao ’lay asa nataon’i Kristy.

Jehovah manatanjaka antsika,

Koa aza mba mihemotra.

2. Mandrosoa! Mandrosoa, aza miahotra!

Itorio ny vaovao tsara ny olon-drehetra.

Derao amin’ny fo Jehovah Tompo,

Ka mitoria isan-trano.

Na maro aza ny mpanenjika,

Aoka isika tsy hatahotra.

Ambarao ny Fanjakan’i Jehovah,

Torio foana ny marina.

3. Mandrosoa! Mandrosoa, mazotoa ianao!

Hatsarao ny asanao fa mbola be ny hatao.

Angataho ny fanahin’i Jehovah,

Hitombo ny fifaliana.

Tiavo ny rahalahy rehetra.

Atreho koa ireo fivoriana.

Mila mifampahery tokoa ’sika,

Handroso mba ho matotra.