Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandrosoa, ry Mpitory Ilay Fanjakana!

Mandrosoa, ry Mpitory Ilay Fanjakana!

Hira 43

Mandrosoa, ry Mpitory Ilay Fanjakana!

(2 Timoty 4:5)

1. Andeha ambarao eran-tany

Ny fahamarinana,

Fa tokony handre izany

Ny olona rehetra.

Aoka ho mendrika hatrany

Ny fitafiana anaovanao.

Sarobidy ny fanompoana,

Jehovah no ankalazao.

(Averina isan’andininy)

2. Banjino, ry mpitory vaovao,

Ny lokan’ny fiainana.

Hadinoy ’zay efa nafoinao,

Arovy ny finoana.

Torio ny hafatr’i Jehovah;

Aoka hiavaka ianao.

Tsy maintsy madio ny Kristianina;

Ialao izao tontolo izao.

(Averina isan’andininy)

3. Miara-manompo isika,

Na kely na lehibe.

Mandroso ireo “ondry vitsy”,

Eo koa ny vahoaka be.

Ny fanompoana ataontsika

Dia fiderana an’i Jah.

Torio àry ’lay Fanjakana,

Ampio ’reo tia ny marina.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Mandrosoa,

ka Torio eran-tany ’lay Fanjakana.

Aoka handroso,

Tsy hivadika amin’i Jehovah.