Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mandrosoa, ry Vavolombelona!

Mandrosoa, ry Vavolombelona!

Hira 29

Mandrosoa, ry Vavolombelona!

(Lioka 16:16)

1. Vonona ny mpanompon’i Jehovah,

Mazoto miaro ny fahamarinana.

Raha toherin’i Satana,

Jehovah hanampy antsika.

(Averina isan’andininy)

2. Tsy misy intsony ny fahamarinana,

Nolavina ny anaran’i Jehovah.

Isika no hiaro izany,

Koa aoka hitory hatrany.

(Averina isan’andininy)

3. Ny miaramilan’i Jah tsy mihemotra,

Tsy mitady sitraka amin’ny olona,

Maniry ny hadio hatrany,

Tsy hivadika eto an-tany.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry Vavolombelona, andao mandrosoa!

Mifalia, manaova ny asan’ny Tompo!

Andeha ambarao ny tontolo vaovao,

’Zay hitondra fitahiana ho anao!