Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manompoa An’i Jehovah Dieny Mbola Tanora

Manompoa An’i Jehovah Dieny Mbola Tanora

Hira 157

Manompoa An’i Jehovah Dieny Mbola Tanora

(Mpitoriteny 12:1)

1. Fony tetỳ an-tany Jesosy,

Ny zazakely nihoby azy.

Ary ny zaza vao menavava,

Samy nidera an’i Jehovah.

2. Manajà ny ray aman-dreninao,

’Zay notendren’i Jah hitaiza anao.

Ankatoavy ny fampianarany,

Ary koa ampifalio ny fony.

3. Tandremo ny fitondran-tenanao.

Jehovah no aoka ho tokinao.

Aza mitady ho tian’ny maro,

Ny naman-dratsy manimba tokoa.

4. Ry tanora, tsarovy Jehovah.

Manompoa azy amim-pitiavana,

Dia hampifaly ny fony ianao,

Ary hitombo ny fiadananao.