Manompoa Bebe Kokoa toy Ireo Nazirita
Hira 128
Manompoa Bebe Kokoa toy Ireo Nazirita
1. Nazirita, nanolo-tena
Ho an’Andriamanitra.
Ny fandavan-tenan’izy ’reo,
Aoka harahintsika.
Kely ny fotoana tavela,
Miezaha mba ho matotra.
Aok’ isika hampitombo
Ny fanompoantsika.
2. Nazirita, nahafoy tena,
Tsotra ny fiainany.
Sakaizan’i Jehovah izy,
Tahafo ny toetrany.
Sarotra ny voady nataony,
Nefa notanterahiny.
Maro ny rahalahintsika
No manao toy ’zany.
3. Nazirita, nanokan-tena,
Sady niavaka tokoa.
Tena tian’i Jehovah izy,
Satria nahay nankatò.
Raha mankatò koa isika
Ary maneho finoana,
Dia hahazo fitahiana
Sy fiadanana.
4. Nazirita, ohatra tsara,
Nadio fitondran-tena.
Aoka mba hadio koa isika,
Dia ho sakaizan’i Jah.
Koa manàna tanjona tsara,
Matokia an’i Jehovah.
Mazotoa manompo foana,
Toy ’reo Nazirita.