Matokia, Ankalazao i Jehovah!
Hira 107
Matokia, Ankalazao i Jehovah!
1. Matokia, ankalazao Jehovah,
Fa omeny hery isika
Handresena ireo fahavalo.
Mandrosoa, aza matahotra.
(Averina isan’andininy)
2. Matokia, ankalazao Jehovah,
Ampiomany ’reo mpanohitra.
Lazao fa ny fivavahan-diso
Sy ny ratsy dia haringana.
(Averina isan’andininy)
3. Matokia, ankalazao Jehovah,
Ampianaro ny mpandefitra.
Asehoy fa tena sarobidy
Ny manompo an’i Jehovah.
(AVERINA ISAN’ANDININY)
Mitoria, lazao ny famonjena,
Mba ho maro no hanolo-tena.
Matokia, ankalazao Jehovah,
Ny anarany no masina.