“Mazoto Amin’ny Asa Tsara”
Hira 30
“Mazoto Amin’ny Asa Tsara”
1. Mazotoa amin’ny asa tsara,
Ambarao ilay Fanjakana.
Lehibe ny anaran’i Jehovah,
Izy no Mpiaro antsika.
2. Aoka mba hifankatia hatrany,
Fa akaiky ’zao ny farany.
Koa ampio ny rahalahy rehetra,
Ary aza mety sasatra.
3. Miezaha haneho fahazotoana,
Finoana sy fanantenana.
Ny fitiavana aoka hitombo.
Ny fontsika ho faly tokoa.
4. Mijoroa raha misy fisedrana,
Aza ahena ny fitiavana.
Mazotoa amin’ny fanompoana,
Ka ny fonao aoka tsy hiova.