Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miadia Mafy Hiaro ny Finoana

Miadia Mafy Hiaro ny Finoana

Hira 98

Miadia Mafy Hiaro ny Finoana

(Joda 3)

1. Kristy efa nanambara

Fa hiharatsy ny olona,

Sady tsy hanam-pinoana,

Tsy hanam-pitiavana.

’Sika kosa hiady mafy

Hiaro ny finoantsika,

Hankatò ny Tenin’i Jah

Sy ny fandaminana.

2. Manohera ny Devoly,

Hatanjaho ny finoana.

Mivavaha sy mianara,

Manaova fanompoana.

Aoka hiady mafy ’sika,

Handresy ny tahotra,

Ary koa hifampahery,

Mba samy haharitra.

3. Koa manàna fahasahiana,

Arovy ny finoana.

Hararaoty ny fotoana,

Torio ny vaovao tsara.

Ny anaran’i Jehovah

No hohamasinina;

Ary ’sika hovonjena,

Ny ratsy haringana.