Miambena Hatrany, Aoka Isika ho Mafy Orina sy Hatanjaka
Hira 174
Miambena Hatrany, Aoka Isika ho Mafy Orina sy Hatanjaka
1. Miambena, mahereza,
Aok’ ianao hitomban-dahy
Sy ho feno fahasahiana,
Hanao ady ara-panahy.
Ilay Gideona Lehibe
No mandefa antso mafy hoe:
‘Miomàna mba hanao ady.
Indro ny fandresena!’
2. Miambena, mifohaza,
Aok’ ianao ho mpankatò,
Ka ho vonona hihaino
An’i Jesosy Tompo.
Raha manahaka azy isika,
Hankasitrahan’i Jehovah.
Toy ny tafika miray hina,
Aok’ isika handroso.
3. Miambena, mahareta,
Miandrasa hatrany.
Ny famonjen’i Jehovah,
Tsy ho ela intsony.
Miaramilan’i Kristy ’sika,
Toy ’reo mpiadin’i Gideona.
Ho voninahitr’i Jehovah,
Maneke ny Zanany.
4. Miambena, miomàna,
Torio ny vaovao tsara.
Maneke an’i Jehovah
Sy ny fandaminana.
Hiantso mafy ’sika rehetra:
‘Sabatr’i Jah sy Gideona!’
Miambena sy mahereza,
Aza mba mihemotra!