Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miandrasa An’i Jehovah

Miandrasa An’i Jehovah

Hira 140

Miandrasa An’i Jehovah

(Fitomaniana 3:22-27)

1. Jehovah ô, ny fiainanay

Miankina aminao.

Aoka hitoetra aminay

Ny hatsaram-ponao.

2. Isan’andro dia tsapanay

Ny famindram-ponao.

Tsy afoinao tokoa ireo

Mitoky aminao.

3. Tsara ny mitondra zioga

Sy miandry an’i Jah,

Ka miaritra fisedrana,

Raha mbola tanora.

4. Ianao, ry Jehovah Tompo,

No fanantenanay.

Ampio ’zahay mba hankatò

Anao mandrakizay.