Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra!
Hira 138
Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra!
(Mika 6:8)
1. Miaraha mandeha isan’andro
Amin’i Jehovah,
Ka manehoa famindram-po
Sy hatsaram-panahy.
Aza mivadika aminy,
Araho ny marina.
Ekeo ny fitarihany,
Ka manetre tena.
2. Miaraha mandeha lalandava
Amin’i Jehovah.
Tohero ny fakam-panahy,
Miezaha ho matotra.
Izay madio sy marina,
Saintsaino hatrany.
Miandrasa an’i Jehovah,
Ka matokia azy.
3. Miaraha mandeha tsy tapaka
Amin’i Jehovah.
Ho sambatra, hiadana,
’Reo tsy mivadika.
Jehovah no tompointsika,
Ankalazao izy.
Torio amim-pifaliana
Ilay Fanjakany.