Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro
Hira 55
Miaraha Mandeha Amin’i Jehovah Isan’andro
(Mika 6:8)
1. Miara-mandeha amin’i Jah
Isan’andro isika.
Anehoany hatsaram-po
Isika ’zay vovoka.
Manolo-tena isika
Mba hiandany aminy,
Ka manao ny sitrapony,
Miara-mandeha aminy.
2. Miara-mandeha amin’ny Ray
No lalam-pahendrena.
Ny hialantsika amin’i Jah
No tian’ny mpanohitra.
Satana sy ’reo demonia,
Maka fanahy antsika,
Eo koa ity tontolo ity
Sy ny nofo mpanota.
3. Ny fiangonan’i Jehovah
No manampy antsika,
Ny Teny sy ny fanahy
Ary koa ny vavaka.
Miaraha mandeha amin’i Jah,
Manaova ny marina.
Tafio ny hatsaram-panahy
Sy ny fanetren-tena.