Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midera Anao Ireo Olonao Tsy Mivadika

Midera Anao Ireo Olonao Tsy Mivadika

Hira 223

Midera Anao Ireo Olonao Tsy Mivadika

(Salamo 145:10)

1. Midera anao, Jehovah ô,

Ireo mpanomponao,

’Zay tsy mivadika aminao

Sy tena tia anao.

Mahatalanjona

Ianao, ry Jehovah.

Mahagaga ny asanao,

Ny lalanao dia miavaka.

’Reo tsy mivadika aminao,

Midera anao, ry Ray.

Torinay ny anaranao,

Tena faly ’zahay.

2. Jesosy no mitarika

Ireo vahoakanao.

Eo koa ireo voahosotra

Izay nofidinao.

Midera anao ireo,

Sy mazoto manome

Sakafo ara-panahy

Ho an’ireo “vahoaka be.”

’Reo tsy mivadika aminao,

Milaza ny asanao.

Ambaranay eran-tany

Ny voninahitrao.

3. Mamindra fo tokoa ianao,

Manao soa aminay.

Nirahinao ny Zanakao

Hanavotra anay.

Ianao, ry Jehovah,

Tsy mba mora tezitra.

Misaotra anao ’zahay,

Nanehoanao fitiavana.

Raha sendra lavo izahay

Dia hampianao tokoa.

Koa derainay ianao, ry Ray,

Fa tena mpanao soa.