Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midera An’i Jehovah Ireo Mpanompony Tsy Mivadika

Midera An’i Jehovah Ireo Mpanompony Tsy Mivadika

Hira 136

Midera An’i Jehovah Ireo Mpanompony Tsy Mivadika

(Salamo 18:25)

1. Faly midera anao ’zahay mpanomponao.

Miaro anay ianao, Jehovah Ray.

Ianao no mendrika ny voninahitra.

Ny tsy hivadika no tanjonay.

2. Ianao no Tomponay, ianao no hajainay.

Ampianaro izahay hadio am-po.

Ampio ny olonao hino ny Teninao,

Tsy hivadika aminao isan’andro.

3. Enga anie ho tonga ilay Fanjakana

Hanatanteraka ny sitrakao.

Arovy izahay ho tena tafaray,

Henoy ny vavakay mpanomponao.

4. Omeo fahasahiana izahay, Jehovah,

Mba tsy hatahotra hidera anao.

Omeo fiadanana ny olo-marina.

Aoka hisandratra ny anaranao.