Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midera An’i Jehovah ny Zavaboary

Midera An’i Jehovah ny Zavaboary

Hira 79

Midera An’i Jehovah ny Zavaboary

(Salamo 19)

1. Jehovah ô, lehibe ny asanao,

’Zay mampiseho ny voninahitrao.

Midera anao tokoa ny lanitra,

Satria ianao ilay Mpamorona.

Midera anao tokoa ny lanitra,

Satria ianao ilay Mpamorona.

2. Nataonao maro be ny kintana,

Nofefenao ny ranomasina.

Mahatalanjona ny asanao,

Ka mendrika ho deraina ianao.

Mahatalanjona ny asanao,

Ka mendrika hoderaina ianao.

3. Ny lalanao madio sy marina,

Ny didinao feno fahendrena.

Ny Teninao tandremanay tokoa,

Fa tsara noho ny volamena soa!

Ny Teninao tandremanay tokoa,

Fa tsara noho ny volamena soa!