Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Midira eo An-tokotanin’ny Tempolin’i Jehovah!

Midira eo An-tokotanin’ny Tempolin’i Jehovah!

Hira 194

Midira eo An-tokotanin’ny Tempolin’i Jehovah!

(Salamo 100:4)

1. Torintsika Vavolombelon’i Jehovah:

‘Manjaka izao Jehovah sy Kristy!’

Avia tompoy, derao ilay Mahery Indrindra.

Ianaro koa ireo fitsipiny.

2. Mivoha izao ny vavahadin’ny tempoly,

Miditra ao ireo mpandefitra,

Mivavaka eo anatrehan’i Jehovah.

Faly izy ’reo manao fanatitra.

3. Hitantsika ‘ny kely efa lasa arivo.’

“Vahoaka be” ’zao no voangona,

Mivory eo antoko tanin’ny tempoly

Mba hankalaza an’i Jehovah.

4. Ankalazao Jehovah Tompo Avo Indrindra,

Ary ambarao ny voninahiny.

Midira eo antoko tanin’ny tempoly.

Mitoera ao mandrakizay doria.