Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miezaha mba ho Naman’i Jehovah

Miezaha mba ho Naman’i Jehovah

Hira 217

Miezaha mba ho Naman’i Jehovah

(Salamo 15:1, 2)

1. Iza, Jehovah ô, no tena namanao?

Iza no hitoetra ao amin’ny tranonao?

’Zay tsy mivadika, tsy mba mamitaka,

Madio am-po, miteny sy manao ny marina.

Iza ihany koa no ho sakaizanao,

Ka ekenao hitoetra eo an-tendrombohitrao?

’Zay be fitiavana, ka miezaka tsy hanafintohina.

(Averina isan’andininy)

2. Iza, Jehovah ô, no lasa namanao?

Iza no tsy foinao, ka tsy hisaraka aminao?

’Zay mandeha mahitsy, manao ny rariny,

Ka tsy mivadika amin’ny fampanantenany.

Tianay, Jehovah ô, ny mba ho namanao.

Ny Teninao dia manazava ny fitsipikao,

Ka dia hahitsinay ny fiainanay; ianao no ho Namanay.

(Averina isan’andininy)

3. Irinay, Jehovah, ny hiaraka aminao.

Miaro ny fonay sy ny sainay ny fiadananao.

Jesosy Zanakao namerina izao

Ny fivavahana madio eo amin’ny olonao.

Sarobidy aminay ny ho sakaizanao.

Ny fiainanay tianay hadio eo anatrehanao.

Ho tia anao ’zahay, ho tafaray, hanompo mandrakizay.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Ry Jehovah Rainay, ianao no Namanay.