Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifalia Amin’ny Asa Fijinjana

Mifalia Amin’ny Asa Fijinjana

Hira 211

Mifalia Amin’ny Asa Fijinjana

(Matio 9:37, 38)

1. Izao no fotoam-pijinjana,

Ka faly tokoa isika.

Ny anjely no tena “mpijinja”,

Fa mandray anjara isika.

Nanomboka ny asa Jesosy,

Namafy tao amin’ny “saha.”

Efa azo jinjaina ny vokatra,

Faly ’sika manangona.

2. Voangona tsara ny “vary”,

Ao ‘an-tsompitr’i’ Jehovah.

Tsy faly ny “tsimparifary”,

Manohitra ny asantsika.

Manompo mandritra ny andro

Ny vahoakan’i Jehovah.

Ny olona liana dia betsaka,

Hanampy azy ’reo isika.

3. Manosika antsika hitory

Ny fitiavana lalina.

Tena maika ny fijinjana,

Tsy ho ela dia hifarana.

Ilaintsika ny miasa mafy,

Manampy ’reo te hianatra.

Faly ’zao ny “sisa voahosotra”

Fa mitombo ny ondry hafa.

4. Tsy maintsy mijinja isika,

Fa “masaka” ny eny an-tsaha.

Kristy no Mpitarika ny asa,

Ka manaiky azy ’sika.

Koa faly isika rehetra

Miara-miasa amin’i Jah.

Ataontsika loha laharana

Ilay asa fijinjana.