“Mifalia Amin’ny Fanantenana”
Hira 206
“Mifalia Amin’ny Fanantenana”
1. Isaorantsika Jehovah
Nanome fanantenana,
’Zay toy ny vatofantsika,
Manampy mba hiaritra.
Tahaka ny fiarovan-doha
Ilay fanantenana soa,
’Zay tena manatanjaka
Sy miaro amin’ny fandrika.
2. Faly ’sika fa manana
Fanantenana miavaka:
Ny maty dia hatsangana,
Ny tany ho Paradisa.
Ny olona ho tafaray,
Ho velona mandrakizay.
Ho sambatra ny rehetra,
Fa hotahin’i Jehovah.
3. Kanefa mba hiarovana
An’ilay fanantenana,
Dia tsy maintsy tandremana
Ny saina sy ny fontsika.
Koa mivavaha tsy tapaka,
Ianaro ny Tenin’i Jah.
Ilay fanantenantsika,
Zarao amin’ny olona.