Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifalia Miaraka Amin’ny Firenen’Andriamanitra

Mifalia Miaraka Amin’ny Firenen’Andriamanitra

Hira 201

Mifalia Miaraka Amin’ny Firenen’Andriamanitra

(Salamo 106:5)

1. Mitoria sy mampianara,

Ary asao koa ny rehetra

Mba hihaino sy hanaiky

Ireo fampianaran’ny Baiboly.

Sitrak’i Jehovah

Ho voavonjy ny rehetra,

Ka ho velona hatrany

Sy handova paradisa an-tany.

(Averina isan’andininy)

2. Firenena voatokana

Ny vahoakan’i Jehovah.

Izy ’reo nanolo-tena,

Ka mitory koa ’lay famonjena.

Jehovah manampy

’Reo mandà tsy hanao ratsy,

Fa miezaka hahatoky

Sy manara-dia an’i Jesosy.

(Averina isan’andininy)

3. ’Lay vahoaka falifaly

Izay lavitry ny ady,

Tsy manahy izay ho avy,

Fa Jehovah no miaro azy.

Izy ’reo mazoto

Ary sambatra manompo,

Mampihatra ny marina,

Sady mankalaza an’i Jehovah.

(AVERINA ISAN’ANDININY)

Koa mifalia ianareo,

Asandrato ny feo,

Miderà an’Andriamanitra.

Tompoy ilay Mpanjaka,

Mifalia miaraka

Amin’ny ‘firenen’i’ Jehovah.