Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mifandraisa Tsara Ianareo’!

‘Mifandraisa Tsara Ianareo’!

Hira 155

‘Mifandraisa Tsara Ianareo’!

(Romanina 15:7)

1. Kristy nandray tsara anareo, koa mba mifandraisa!

Koa raiso ireo rahalahy namoizany aina.

Ianareo izay matotra, ampio ny malemy,

Ho tena mafy orina ny fanantenany.

’Zay nosoratan’ny mpaminany ho antsika

Dia manome fanantenana sy mampionona.

Aza mitady ’zay hahafaly ny tenantsika,

Fa jereo izay hahasoa an’ireo rahalahy.

2. Tsy mianatra ady intsony ’reo angonin’i Jah.

Ny Zanany no hampanjaka ny fiadanana.

Ireo karazan’olona rehetra taominy.

Tian’izy ’reo tokoa ny hankatò ny didiny.

Koa mifandraisa tsara ho voninahitr’i Jah.

Tiavo ny rehetra fa aza manavaka.

Tahafintsika ny hatsaram-pon’i Jehovah.

Toa an’i Kristy, hihamalalaka ny fontsika.

3. Aok’ àry ’sika hanampy ny olon-drehetra,

Mba hiderany an’i Jehovah Mpanjakantsika.

Ambarao eny an-dalana sy isan-trano koa

Ny vaovao tsara momba an’i Jehovah Tompo.

Koa hararaoty ny fotoana mba hitoriana.

Tsy ho ela dia ho ringana ireo ratsy fanahy.

Ny Tenin’i Jehovah dia mandidy antsika

Hifankatia sy hifandray ary hihavana.