Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Mifankatiava Fatratra”

“Mifankatiava Fatratra”

Hira 115

“Mifankatiava Fatratra”

(1 Petera 4:8)

1. Ny fifankatiavana

’Zay madio sy lalina

Ary koa maharitra

No sitrak’i Jah.

Jesosy nirahina

Hampihavana antsika

Amin’ilay Raintsika

Be fitiavana.

Matahora an’i Jah,

Manehoa fitiavana.

’Sika mpianatr’i Kristy,

Ka mifankatia.

Be ny fankahalana,

Manàna fitiavana,

Toetra tsara indrindra.

Tahafo ny Ray, Tahafo ny Ray.

2. Ny tena fitiavana,

Tsy manafintohina,

Fa maneho fanajana

An’ireo rahalahy.

Miantra sy tsara fanahy

Ary koa tsy tia tena

Fa mamela heloka,

Ny fitiavana.

Akaiky ny farany,

Isika hifankatia.

Anehoy fitiavana

Ny olon-drehetra.

Hifankatia fatratra

Sy ho hendry isika,

Hanahaka an’i Jehovah,

’Lay Ray be fitia, ’Lay Ray be fitia.