Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mihamamiratra Hatrany ny Hazavana

Mihamamiratra Hatrany ny Hazavana

Hira 111

Mihamamiratra Hatrany ny Hazavana

(Ohabolana 4:18)

1. Mamiratra ny Tenin’i Jehovah,

Sady mihamazava toy ny masoandro.

Ny marina asehon’i Jehovah.

Hoy izy amintsika: ‘Avia, mihainoa.’

Resy ’zao ny haizim-pito

Sy ny fampianaran-diso.

Ny marina

Dia hitantsika.

Nanomboka nanjaka i Jesosy,

Nitombo koa ny hazavana ara-panahy,

Ka namiratra.

2. ’Reo marina mandray fahalalana

Avy amin’i Jehovah be fitiavana.

Omeny koa ’reo tsela-pahazavana.

Ny fampianaran’i Jah, tena tiantsika.

Isika tsy lavorary,

Ary mety hanao ratsy.

Ny marina

Manampy antsika.

Miantra i Jah, mandefa hazavana.

Ny hazavany kanto, indro mamiratra,

Mihamamiratra.

3. Tsy takona izao ny lalantsika.

Ny rahona dia lasa, eo ny masoandro.

Jehovah no mandefa hazavana,

Ka tena faly ’sika satria mandray soa.

Aza kivy, miandrasa,

Matokia an’i Jehovah.

Ny marina

Arahintsika.

Ny lalana mihamazava foana.

’Reo marina mifaly satria mamiratra

Ny hazavana.