Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miray Saina Isika Kristianina

Miray Saina Isika Kristianina

Hira 158

Miray Saina Isika Kristianina

(Efesianina 4:13)

1. Ny fanompoana an’i Jehovah

No mampiray saina antsika.

Ilay Zanany dia nirahiny

Hampianatra ny marina.

Mahatonga firaisan-tsaina

Ny fanekena an’i Kristy,

Ka dia tafaray toy ny mpianakavy

Ny Mpianatra ny Baiboly.

2. Tandremo ny fitondran-tena,

Arovy ny fo sy saina.

Ny fiainantsika hifanaraka

Amin’ny sitrapon’i Jah.

Ny asan’ny nofo kosa,

Soloy vokatry ny fanahy.

’Reo tia manome no tena sambatra,

Manahaka an’i Jehovah.

3. Ny fandaminan’i Jehovah

Dia tena miaro antsika.

Raha ny marina no iainantsika,

Dia ho tafaray isika.

Koa inona ireo toetra

Takin’i Jah amintsika?

Ho tia rariny sy ho tsara fanahy,

No sady hanetry tena.