Misaotra, Jehovah
Hira 212
Misaotra, Jehovah
1. Misaotra, Jehovah, noho ny Teninao.
Mampianatra sy miaro anay ianao.
Misaotra satria tombontsoa ho anay
Ny mivavaka aminao, ry Ray.
2. Misaotra, Jehovah, noho ’lay Zanakao,
Nanaiky hamonjy ’reo mino anao.
Misaotra noho ny fitarihanao.
Tianay ny hanao izay sitrakao.
3. Misaotra, Jehovah, noho ’reo rahalahy,
’Zay namana tsara sy matotra.
Misaotra noho ny fanahy masina,
Manampy anay tsy hivadika.
4. Misaotra, ry Ray, fa voninahitra
Ny mitory ny fahamarinana.
Misaotra satria ilay Fanjakanao
Dia hanova ny tany ho vaovao.