Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitarika ny Vahoakany i Jehovah

Mitarika ny Vahoakany i Jehovah

Hira 203

Mitarika ny Vahoakany i Jehovah

(Salamo 31:3)

1. Mitarika antsika Jehovah,

Manome fahendrena sady mampianatra.

Nomeny fahafahana isika.

Voasoratra ao am-pontsika ny marina.

2. Manampy ny fanahy masina,

Ka dia mihamazava ny fahamarinana.

Mikarakara amim-pitiavana

Ilay “mpanompo mahatoky sy malina.”

3. Ny marina manitsy ’zay diso,

No sady manatanjaka, mampahery koa.

Ekeo ny fanitsian’i Jehovah,

Dia izy no hitari-dalana antsika.

4. Jehovah dia manampy antsika,

Mba hahatakarantsika ny fahamarinana.

Sakaiza tsara indrindra Jehovah,

Manampy na dia sarotra aza ny fiainana.