Mitombo ny Asan’ilay Fanjakana
Hira 53
Mitombo ny Asan’ilay Fanjakana
1. Mitombo ny asan’ilay Fanjakana.
Faly ’sika fa mahita izany.
Eran-tany, midera an’i Jehovah
Ireo mandeha amin’ny hazavany.
Vitsy tokoa fahizay ny Kristianina,
Nefa izao lasa vahoaka be.
Mbola eo koa ny voahosotra sisa.
Derain’izy ’reo Jehovah Lehibe.
2. Lasa Mpanjaka ’zao Jesosy Kristy,
Ary hitsara ny firenena.
Harovany ny anaran’ny Rainy,
’Reo fahavalony ho ringana.
Mpanolo-tsaina sy Ray mandrakizay,
Izy no Tompon’ny Fiadanana.
Ny Fanjakany hamerina indray
Ny fiainana ’zay tsy hifarana.
3. Endrey ny hafaliantsika rehetra!
Lehibe tokoa io fitomboana io.
Mazotoa hatrany mandray anjara
Amin’io asa fitoriana io.
Ampiomany ’reo fahavalon’ny Ray,
Antomotra Hara-magedona.
Ireo mpandefitra kosa itondray
Ny vaovao tsara ’zay mampionona.